Galatians 6

1Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota, ianareo izay ara-panahy no tokony hamerina azy indray amin’ny fahamoram-panahy. Mihevera ny tenanao, mba tsy ho halaim-panahy koa ianao. 2Mifampitondrà ny mavesatra, ary amin’izany dia tanteraho ny lalàn’i Kristy.

3Fa raha misy olona mihevitra ny tenany ho zavatra kanefa tsinotsinona, dia mamitaka ny tenany izy. 4Tokony handinika ny asany avy ny tsirairay, mba ho amin’ny tenany ihany ny antony hireharehany fa tsy amin’ny olon-kafa. 5Fa samy hitondra ny entany avy ny olona tsirairay.

6Ny olona izay nampianarina ny teny dia tsy maintsy mizara ny zavatra tsara rehetra amin’izay mampianatra. 7Aza mety ho fitahana. Tsy azo vazivaziana Andriamanitra, fa izay rehetra ambolen’ny olona, no ho jinjainy koa. Ho an’izay mamboly voa amin’ny toetrany feno fahotana, dia avy amin’izany no hijinjany fahasimbana. 8Izay mamboly voa amin’ny Fanahy, amin’ny Fanahy no hijinjany ny fiainana mandrakizay.

9Aoka isika mba tsy ho reraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa hijinja ny vokatra isika amin’ny fotoana mety, raha tsy milavo lefona isika. 10Koa noho izany, satria manana fahafahana isika, dia aoka hanao ny tsara amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny fianakavian’ny finoana.

11Jereo ny halehiben’ny soratra izay nosoratan’ny tanako ho anareo. 12Ireo izay te hiseho ho tsara ao amin’ny nofo no miezaka manery anareo mba hoforaina. Manao izany izy ireo mba hialana amin’ny fanenjehana nohon’ny amin’ny hazofijalian’i Kristy. 13Na ireo izay tsy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna, nefa tian’izy ireo hoforaina ianareo mba hireharehan’izy ireo amin’ny nofonareo.

14Nefa tsy hirehareha na oviana na oviana afa-tsy ny amin’ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika anie aho, izay nanomboana an’izao tontolo izao teo amiko, ary izaho kosa teo amin’izao tontolo izao. 15Fa ny famorana na ny tsy famorana dia samy tsy misy dikany, fa ny fiainam-baovao no misy dikany. 16Ho an’ny ireo rehetra izay miaina araka izany fomba izany, dia ho amin’izy ireo anie ny fiadanana sy ny famindram-po, na amin’ny Israelin’Andriamanitra aza.

17Manomboka izao dia aoka tsy hisy hanadala ahy, fa mitondra ireo marik’i Jesosy eo amin’ny vatako aho. 18Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, ry rahalahy. Amena.

Copyright information for PltULB